Judges 19:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga tao an-tranony izy dia naka antsy ary noraisiny ny fatin’ilay vady tsindranony dia norasainy araka ny famavanin’ny taolana ho roa amby folo toko ka nampitondrainy manerana ny tanin’ny Israely rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga tany aminy izy, noraisiny ny antsy, dia nalainy ity vady tsindranony, ka norasainy isam-pamavanin-taolana ho roa ambin’ny folo toko, sy nampitondrainy eran’ny tanin’i Israely rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga tany an-tranony izy, dia nodidiany tamin’ny antsy sady norasarasainy ho toko 12 ny fatin’ny vadiny, ka nandefasany toko iray avy isam-poko manerana ny tanin’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsy, ka noraisiny ny fatin'ny vaditsindranony, dia norasainy araka ny famavanin'ny taolana ho roa ambin'ny folo toko, ka nampitondrainy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga tao an-tranony izy dia naka antsy ary noraisiny ny fatin’ilay vady tsindranony dia norasainy araka ny famavanin’ny taolana ho roa amby folo toko ka nampitondrainy manerana ny tanin’ny Israely rehetra.
malagasy
Ary rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsy, ka noraisiny ny fatin'ny vaditsindranony, dia norasainy araka ny famavanin'ny taolana ho roa ambin'ny folo toko, ka nampitondrainy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra.Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin'ny andro niakaran'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao.