Judges 19:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niainga Ralehilahy ka nandeha nanaraka azy mba hanambitamby sy hampody azy. Noentiny niaraka taminy ny zatovony sy boriky roa. Nampiantranoin-dRavehivavy ho ao an-tranon’ny rainy izy, koa nony hitan’ny rain-dRazazavavy Ralehilahy dia faly nihaona taminy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa niainga ralehilahy ka nankany aminy, hiteny amin’ny fony sy hampody azy, ary nitondra ny mpanompony sy ampondra roa. Nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony nahita azy ny rain-drazazavavy, dia nandroso hitsena azy an-kafaliana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa niainga ralehilahy mba hanaraka ny vadikeliny sy hanambitamby azy hiverina hody. Nentiny niaraka taminy ny zatovony iray sy ny boriky roa. Dia nampandrosoin-dravehivavy tao an-tranon-drainy izy; ary ilay rafozan-dahiny koa, raha vao nahita azy, dia nandray azy tamin-kafaliana.
Malagasy Bible 1865
Ary niainga ralehilahy ka nandeha nanaraka azy hanao teny malefaka taminy hampody azy ary nitondra ny zatovony sy boriky roa; dia nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony hitan'ny rain-drazazavavy ralehilahy, dia faly izy nihaona taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niainga Ralehilahy ka nandeha nanaraka azy mba hanambitamby sy hampody azy. Noentiny niaraka taminy ny zatovony sy boriky roa. Nampiantranoin-dRavehivavy ho ao an-tranon’ny rainy izy, koa nony hitan’ny rain-dRazazavavy Ralehilahy dia faly nihaona taminy izy.
malagasy