Judges 19:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro fahefatra dia nifoha vao maraina izy roa lahy, koa rehefa niomana handeha dia hoy ny rain-dRazazavavy tamin’ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, avy eo dia handeha ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tamin’ny andro fahefatra dia nifoha maraina koa izy ireo, ary efa nivonon-kandeha ity Levita. Nefa hoy ny rain-drazazavavy tamin’ity vinantony: «Hatanjaho ny fonao ka homàna sombi-mofo aloha, vao mandeha ianareo».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro fahefatra dia nifoha maraina izy roa lahy; fa nony efa tena handeha tokoa ilay levita, dia nilazan’ny rain-drazazavavy hoe: –Mihinàna ody am-bavafo kely aloha ianareo vao mandeha.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tamin'ny andro fahefatra, dia nifoha maraina koa izy ka niomana handeha; fa hoy ny rain-drazazavavy tamin'ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary rehefa afaka izany, dia handeha ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro fahefatra dia nifoha vao maraina izy roa lahy, koa rehefa niomana handeha dia hoy ny rain-dRazazavavy tamin’ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, avy eo dia handeha ianareo.
malagasy