Judges 19:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nifoha vao maraina indray izy tamin’ny andro fahadimy mba handeha nefa hoy ny rain-dRazazavavy: Aoka mba hanao ody am-bavafo kely ianao ka mijanonjanòna aloha mandra-pihilan’ny andro. Dia niara-nihinana izy roa lahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tamin’ny andro fahadimy dia nifoha maraina koa izy handeha, fa hoy ny rain-drazazavavy taminy: «Mihanta aminao re aho, mba hatanjaho ny fonao ka andraso mandra-pahatolaky ny andro». Dia niara-nihinana izy roa lahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro fahadimy dia nifoha maraina izy mba handeha. Fa hoy ny rafozany taminy: –Mihinàna ody am-bavafo aloha, ary ahemory ho amin’ny tolakandro ny dianareo. Dia niara-nihinana izy roa lahy.
Malagasy Bible 1865
Dia nifoha maraina koa izy handeha nony tamin'ny andro fahadimy; fa hoy ny rain-drazavazavy: Aoka mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary mijanonjanona aloha mandra-pihilan'ny andro; ary dia niara-nihinana izy roa lahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nifoha vao maraina indray izy tamin’ny andro fahadimy mba handeha nefa hoy ny rain-dRazazavavy: Aoka mba hanao ody am-bavafo kely ianao ka mijanonjanòna aloha mandra-pihilan’ny andro. Dia niara-nihinana izy roa lahy.
malagasy