Judges 19:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa niainga handeha Ralehilahy sy ny vady tsindranony ary ny mpanompolahiny dia hoy ny rafozany, rain-dRazazavavy, taminy: Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa miangavy re, mandria ihany anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro ka mandria eto, mba hifalian’ny fonao! Rahampitso dia hifoha vao maraina ianareo ka handeha hody ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa nitsangana handeha ralehilahy sy ny vady tsindranony ary ny mpanompony, fa hoy kosa ny rafozany rain-drazazavavy taminy: «Indro efa ho hariva ny andro, koa mihanta aminao aho, mba handry indray anio alina! fa efa mandrorona ny andro, ka mandria re eto, ary aoka hifaly ny fonao: fa rahampitso hifoha maraina koa ianareo mba hiainga ka handeha ho any an-dainao».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony efa tena handeha ilay levita sy ny vadikeliny ary ny zatovony, dia hoy ny rafozan-dahiny tamin’ilay vinanto: –Indro efa tolaka ny andro ary efa ho hariva mihitsy koa mandria aloha anio alina. Indro efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto ary aoka hifaly ny fonao! Rahampitso dia hifoha maraina be ianareo ka handeha hody any aminao.
Malagasy Bible 1865
Ary raha niainga handeha ralehilahy sy ny vaditsindranony ary ny ankizilahiny, dia hoy ny rafozany, rain-drazazavavy, taminy Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa masìna ianao, mandria re anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto, mba hifalian'ny fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa ianareo, ka handeha hody ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa niainga handeha Ralehilahy sy ny vady tsindranony ary ny mpanompolahiny dia hoy ny rafozany, rain-dRazazavavy, taminy: Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa miangavy re, mandria ihany anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro ka mandria eto, mba hifalian’ny fonao! Rahampitso dia hifoha vao maraina ianareo ka handeha hody ianao.
malagasy