Judges 2:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ilay Anjelin’NY TOMPO dia niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima ka niteny hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta Aho ka nampiditra anareo eto amin’ny tany izay nianianako tamin’ny razanareo homena azy, ka hoy Aho tamin’izany: Tsy hanatsoaka ny fanekeko aminareo mihitsy Aho;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary niakatra avy any Galgalà ny Anjelin’i Iaveh nankany Bokima, ka nanao hoe: «Nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta Aho; dia nampiditra anareo amin’ny tany izay nianianako tamin’ny razanareo homena anareo. Hoy Aho hoe: Tsy hanatsoaka ny fanekeko aminareo mandrakizay Aho,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niainga avy any Gilgala ka tonga tany Bokima ny anjeli n’ny TOMPO ary nanambara tamin’ny Israelita hoe: –Izaho no nampakatra anareo hiala tany Ejipta ka nampiditra anareo amin’ny tany izay nianianako homena ny razanareo. Ary nilaza Aho fa tsy hanapaka na oviana na oviana ny fanekempihavanako aminareo.
Malagasy Bible 1865
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin'ny tany izay nianianako tamin'ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ilay Anjelin’NY TOMPO* dia niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima ka niteny hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta Aho ka nampiditra anareo eto amin’ny tany izay nianianako tamin’ny razanareo homena azy, ka hoy Aho tamin’izany: Tsy hanatsoaka ny fanekeko aminareo mihitsy Aho;
malagasy
[Ny nisehoan'Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'ny Isiraely tao Bokima] Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin'ny tany izay nianianako tamin'ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay;