Judges 2:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka nahafoy NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; nanaraka andriamanitra hafa tamin’ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nahatezitra NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nafoiny i Iaveh Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; fa andriamani-kafa, tamin’ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy no narahiny, sy niankohofany teo anatrehany, ka nampahatezitra an’i Iaveh izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandao ny TOMPO Andriamanitry ny razambeny Izay nitondra azy niala tany Ejipta izy ka nandeha nanompo andriamani-tsiizy, dia ny andriamanitr’ireo firenena manodidina azy. Andriamani-tsiizy no niankohofan’ny Israelita; ka nahatezitra ny TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
ka nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanaraka andriamani-kafa amin'ny andriamanitry ny firenena manodidina azy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka nahafoy NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; nanaraka andriamanitra hafa tamin’ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nahatezitra NY TOMPO.
malagasy