Judges 2:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka natolony teo an-tanan’ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina azy; tsy nahajanona teo anoloan’ireo fahavalony intsony izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh ka natolony ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina azy izy, ary tsy nahatanty ny fahavalony intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita ny TOMPO, ka namela azy ho azon’ireo andian-dahalo izay nandroba azy; natolony ho resin’ny fahavalo manodidina izy, hany ka tsy nahatohitra ireny intsony.
Malagasy Bible 1865
Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka natolony teo an-tànan'ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan'ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan'ny fahavalony intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka natolony teo an-tanan’ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina azy; tsy nahajanona teo anoloan’ireo fahavalony intsony izy.
malagasy