Judges 2:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa na dia ireo mpitsara teo aminy aza dia tsy mba nohenoiny fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamanitra hafa izy ka niankohoka teo anatrehan’ireny; nalaky nivily niala tamin’ny lalana nandehanan’ireo razany izay nanaraka ny didin’NY TOMPO izy; tsy mba araka izany no nataony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nefa tsy nihaino izay mpitsarany akory izy; fa nandeha nitolo-teny tamin’ny andriamani-kafa, sy niankohoka teo anoloan’ireny. Nalaky nivily izy tamin’ny lalana nomban’ny razany, izay nitandrina ny didin’i Iaveh; tsy nanao tahaka izany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa ny Israelita tsy nankatò ihany koa ireo mpitsara azy, fa nandeha nanao fanompoan-tsampy tamin’ireo andriamani-tsiizy ka niankohoka teo anatrehany. Nalaky niala ny lalana izay nizoran’ireo razany tamin’ny fankatoavana ny didin’ny TOMPO izy, fa tsy mba nanahaka azy.
Malagasy Bible 1865
Fa na dia ny mpitsara azy aza dia tsy mba nohenoiny, fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehany; nivily faingana niala tamin'ny lalana izay nandehanan'ny razany nanaraka ny didin'i Jehovah izy, fa tsy mba nanaraka izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa na dia ireo mpitsara teo aminy aza dia tsy mba nohenoiny fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamanitra hafa izy ka niankohoka teo anatrehan’ireny; nalaky nivily niala tamin’ny lalana nandehanan’ireo razany izay nanaraka ny didin’NY TOMPO izy; tsy mba araka izany no nataony.
malagasy