Judges 2:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanjo nony maty ilay mpitsara dia nanao izay ratsy mihoatra noho ny nataon’ny razany indray izy, fa nanaraka andriamanitra hafa sy nanompo azy ireo ary niankohoka teo anatrehany; tsy nitsahatra tamin’ny fanaony sy ny ditrany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa maty anefa ny mpitsara dia nihasimba indray izy mihoatra noho ny razany indray aza, ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, fa tsy niala amin’ny hadisoany amam-pikiribibiany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo raha vao maty ilay mpitsara, dia miverina indray amin’ny ratsy fanaony mihoatra noho ireo razany ny Israelita, ka manompo andriamani-tsiizy sy miankohoka eo anatrehany. Tsy nialany akory ny ratsy fanaony sy ny toetra maditra mahazatra azy.
Malagasy Bible 1865
Kanjo nony maty ilay mpitsara, dia nanao ratsy indray izy mihoatra noho ny nataon'ny razany, fa nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ary niankohoka teo anatrehany izy; tsy nitsahatra tàmin'ny fanaony na tamin'ny lalana nanaovany ditra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanjo nony maty ilay mpitsara dia nanao izay ratsy mihoatra noho ny nataon’ny razany indray izy, fa nanaraka andriamanitra hafa sy nanompo azy ireo ary niankohoka teo anatrehany; tsy nitsahatra tamin’ny fanaony sy ny ditrany izy.
malagasy