Judges 2:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba hizahako toetra ny Israely amin’ny alalan’ireny, na hitandrina ny lalan’NY TOMPO izy ka handeha amin’izany araka izay nitandreman’ny razany izany, na tsia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ireo no hizahako toetra an’i Israely, na hazoto hanaraka ny lalan’i Iaveh izy, toy ny nahazoto ny razany, na tsia.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hampiasaiko ireny mba hizahako toetra azy na hanaraka ny sitrapoko ny Israelita ka hankatò Ahy tahaka izay nataon’ny razany na tsia.
Malagasy Bible 1865
mba hizahako toetra ny Isiraely amin'ireny, na hitandrina ny lalan'i Jehovah ka handeha amin'izany araka izay nitandreman'ny razany izany izy, na tsia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba hizahako toetra ny Israely amin’ny alalan’ireny, na hitandrina ny lalan’NY TOMPO izy ka handeha amin’izany araka izay nitandreman’ny razany izany, na tsia.
malagasy
mba hizahako toetra ny Isiraely amin'ireny, na hitandrina ny lalan'i Jehovah ka handeha amin'izany araka izay nitandreman'ny razany izany izy, na tsia.Dia navelan'i Jehovah ireny firenena ireny ka tsy noroahiny faingana; sady tsy voatolony teo an-tànan'i Josoa ireny.