Judges 2:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny anaran’izany tany izany dia nataony hoe Bokima, ary namono zavatra teo izy mba hatao fanatitra ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nomeny anarana hoe Bokima izany fitoerana izany, ary nanolotra sorona ho an’i Iaveh teo izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary izany toerana izany dia nantsoiny hoe Bokima na Mpitomany; dia nanao sorona teo izy ho an’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Bokima; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny anaran’izany tany izany dia nataony hoe Bokima, ary namono zavatra teo izy mba hatao fanatitra ho an’NY TOMPO.
malagasy
Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Bokima; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an'i Jehovah.[Bokima = Mitomany]