Judges 20:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niainga ny Zanak’Israely rehetra ka nivory toy ny olona tokana ny fiangonana, hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba ary ny tany Gileada, ho any amin’NY TOMPO tany Mizpa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nivoaka ny zanak’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea sy ny tany Galaada; ka nivory teo anatrehan’i Iaveh tany Masfà, toy ny olona iray ihany, ny fiangonana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niainga ny Israelita rehetra ary tafangona toy ny olona iray izy hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba sy hatrany amin’ny faritr’i Gilehada no nivory teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà.
Malagasy Bible 1865
Dia nivoaka ny Zanak'Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin'i Jehovah tany Mizpa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niainga ny Zanak’Israely rehetra ka nivory toy ny olona tokana ny fiangonana, hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba ary ny tany Gileada, ho any amin’NY TOMPO tany Mizpa.
malagasy
Dia nivoaka ny Zanak'Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin'i Jehovah tany Mizpa.