Judges 20:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Haka folo lahy isan-jato amin’ny fokon’ny Israely rehetra isika, dia zato amin’ny arivo, ary arivo amin’ny iray alina, mba haka vatsy ho an’ny olona, koa rehefa tonga any Gibean’i Benjamina ireo dia araka ilay zavatra fady indrindra efa nataony teo amin’ny Israely no hataony aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fokon’i Israely rehetra dia hangalantsika lehilahy folo isan-jato, zato isan’arivo, arivo isan’alina, handeha haka vatsy ho an’ny vahoaka, ka rehefa tonga izy, dia araka ny zavatra mahafa-baraka indrindra nataony tamin’i Israely no hatao amin’i Gabaàn’i Benjamina koa».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Antsapaka no hifidianantsika ny ampahafolon’ny vatan-dehilahy isaky ny fokon’i Israely, izany hoe zato amin’ny arivo, na arivo amin’ny iray alina; ka ireo no hamatsy ny andian-tafika izay handeha hanafay an’i Gibehà tanàna benjaminita, araka ny zava-pady nafitsony teto Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary haka folo lahy isan-jato amin'ny firenen'Isiraely rehetra isika, dia zato amin'ny arivo, ary arivo amin'ny iray alina, mba haka vatsy ho an'ny olona, ka rehefa tonga any Gibean'ny Benjamina izy, dia araka ilay zavatra fady indrindra efa nataony teo amin'ny Isiraely no hataony aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Haka folo lahy isan-jato amin’ny fokon’ny Israely rehetra isika, dia zato amin’ny arivo, ary arivo amin’ny iray alina, mba haka vatsy ho an’ny olona, koa rehefa tonga any Gibean’i Benjamina ireo dia araka ilay zavatra fady indrindra efa nataony teo amin’ny Israely no hataony aminy.
malagasy