Judges 20:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ankehitriny, atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo mba hovonoinay ho faty ka hesorinay tsy ho eo amin’ny Israely ny ratsy. Nefa ny taranak’i Benjamina tsy nety nihaino ny feon’ny Zanak’Israely rahalahiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, atolory anay ireo olona ratsy fanahy ao Gabaà ireo, hamonoanay azy sy hanesoranay ny ratsy eo afovoan’i Israely.» Tsy nety nihaino ny feon’ny zanak’i Israely rahalahiny anefa ny Benjaminita.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Atolory anay ny olo-meloka, dia ireo faikan’olona ao Gibehà, mba hovonoinay ho faty ka hataonay tsy hisy eto amin’ny tanin’Israely intsony ny ratsy. Kinanjo ny Benjaminita tsy nety nihaino ny feon’ireo Israelita mpiray firenena aminy.
Malagasy Bible 1865
Koa ankehitriny atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo, mba hataonay maty izy, ka hesorinay tsy ho eo amin'ny Isiraely ny ratsy. Fa ny taranak'i Benjamina tsy nety nihaino ny feon'ny Zanak'Isiraely rahalahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ankehitriny, atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo mba hovonoinay ho faty ka hesorinay tsy ho eo amin’ny Israely ny ratsy. Nefa ny taranak’i Benjamina tsy nety nihaino ny feon’ny Zanak’Israely rahalahiny.
malagasy