Judges 20:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nampahery tena anefa ny lehilahin’ny Israely ka nilahatra hiady indray teo amin’ilay nilaharany tamin’ny andro voalohany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nohamafisin’ny vahoaka, dia ny lehilahy amin’i Israely anefa, ny herim-pony ka nilahatra hiady teo amin’ny fitoerana nilaharany tamin’ny andro voalohany indray izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nandeha nitomany teo anatrehan’ny TOMPO mandra-paharivan’ny andro ny Israelita sady nanontany AZY na tokony mbola hiady amin’ny Benjaminita mpiray firenena aminy na tsia; ka novalian’ny TOMPO hoe: –Miakara hiady aminy. Dia nifampahery ny Israelita ary nandeha hilahatra hiady teo amin’ny toerana izay efa nilaharany tamin’ny andro voalohany ihany.
Malagasy Bible 1865
Fa nifanome toky ny lehilahy amin'ny Isiraely ka nilahatra hiady indray teo amin'ilay nilaharany tamin'ny andro voalohany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nampahery tena anefa ny lehilahin’ny Israely ka nilahatra hiady indray teo amin’ilay nilaharany tamin’ny andro voalohany.
malagasy
Fa nifanome toky ny lehilahy amin'ny Isiraely ka nilahatra hiady indray teo amin'ilay nilaharany tamin'ny andro voalohany.