Judges 20:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niala avy tany Gibea ny Benjamina hiady aminy indray tamin’ny andro faharoa ka naharingana valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin’ny tany tamin’ny Zanak’Israely; lehilahy nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nivoaka avy ao Gabaà hamely azy ny taranak’i Benjamina tamin’io andro faharoa io, ary lehilahy valo arivo sy iray alina, samy mahatan-tsabatra tamin’ny zanak’i Israely no nataony maty niampatra tamin’ny tany indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kinanjo tamin’io andro faharoa io dia nivoaka avy tao Gibehà ny Benjaminita ka nandringana andiany 18 indray tamin’ny vatan-dehilahy israelita, dia lehilahy kinga famely sabatra avokoa.
Malagasy Bible 1865
Dia nivoaka avy tany Gibea ny Benjamita hiady aminy indray tamin'ny andro faharoa ka naharingana ny Zanak'Isiraely valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niala avy tany Gibea ny Benjamina hiady aminy indray tamin’ny andro faharoa ka naharingana valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin’ny tany tamin’ny Zanak’Israely; lehilahy nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
malagasy