Judges 20:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niakatra ny Zanak’Israely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan’NY TOMPO ary nifady hanina tamin’izany andro izany mandra-paharivan’ny andro, ary nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana teo anatrehan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niakatra nankany Betela ny zanak’i Israely rehetra sy ny vahoaka rehetra; nipetraka nitomany teo anatrehan’i Iaveh, nifady hanina mandra-paharivan’ny andro, nanolotra sorona dorana aman-tsorom-pihavanana teo anatrehan’i Iaveh,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nandeha niakatra tany Betela ny Israelita rehetra sy ny tafiny manontolo ka nipetraka nitomany teo anatrehan’ny TOMPO; tamin’izay dia nifady hanina mandra-paharivan’ny andro izy sady nanao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo anatrehan’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia niakatra ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan'i Jehovah ary nifady hanina tamin'izany andro izany mandra-paharivan'ny andro; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niakatra ny Zanak’Israely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan’NY TOMPO ary nifady hanina tamin’izany andro izany mandra-paharivan’ny andro, ary nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana teo anatrehan’NY TOMPO.
malagasy