Judges 20:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niainga ny taranak’i Benjamina hiady tamin’ny olona ka voatarika hanalavitra ny tanàna izy ary nanomboka namely sy nahafaty olona tahaka ny teo aloha, dia tokony ho telopolo lahy tamin’ny Israely, tany amin’ireo lalambe izay miakatra ho any Betela ny iray, ary ho any an-tsaha, mankany Gibea ny iray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nivoaka hamely ny vahoaka ny taranak’i Benjamina, ka nety ho voatarika hanalavitra ny tanàna. Rafitra namely sy namono tamin’ny vahoaka toy ny teo aloha izy, eo amin’ireo lalana any an-tsaha, izay miakatra any Betela ny iray, ary miakatra any Gabaà ny iray; dia nahafatesany sahabo ho telopolo lahy amin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nivoaka hiady aminy kosa ny Benjaminita ka voatarika handeha lavitra ny tanàna. Ary toy ny teo aloha dia nanomboka namely ny Israelita izy ka nahafaty tokony ho telopolo lahy teny an-dalana mankany Betela sy mankany Gibehôna.
Malagasy Bible 1865
Dia nivoaka ny taranak'i Benjamina hiady tamin'ny olona ka voatarika niala tamin'ny tanàna izy ary nanomboka namely sy nahafaty ny olona tahaka ny teo aloha, dia tokony ho telo-polo lahy teo amin'ny Isiraely tany an-tsampanan-dalana, miakatra ho any Betela ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho any Gibea any an-tsaha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niainga ny taranak’i Benjamina hiady tamin’ny olona ka voatarika hanalavitra ny tanàna izy ary nanomboka namely sy nahafaty olona tahaka ny teo aloha, dia tokony ho telopolo lahy tamin’ny Israely, tany amin’ireo lalambe izay miakatra ho any Betela ny iray, ary ho any an-tsaha, mankany Gibea ny iray.
malagasy