Judges 20:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny taranak’i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak’Israely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin’ny tanàna ka ho any an-dalambe.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy ny taranak’i Benjamina: «Indro fa resy eo anoloantsika toy ny taloha ihany izy ireo.» Fa hoy kosa ny zanak’i Israely: «Ndeha handositra ka ataovy tari-dositra hanalavitra ny tanàna amin’ireo lalana ireo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay dia nihevitra ho naharesy ny Israelita toy ny teo aloha izy; kinanjo nanapa-kevitra ny Israelita fa hanao tari-dositra mba hisarika ny Benjaminita ho any amin’ny lalana mankany an-tsaha ka hanalavitra an’i Gibehà.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny taranak'i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak'Isiraely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin'ny tanàna ho any an-dalambe.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny taranak’i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak’Israely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin’ny tanàna ka ho any an-dalambe.
malagasy
Ary hoy ny taranak'i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak'Isiraely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin'ny tanàna ho any an-dalambe.