Judges 20:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsangana niala tamin’ny toerana nisy azy ny lehilahy rehetra tamin’ny Israely ka nilahatra tany Baala-Tamara; ary ny Israely izay nanao vela-pandrika dia nirohotra avy tamin’ny toerany, avy tao an-tsahan’i Gibea.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niala tamin’izay nitoerany àry ny lehilahy amin’i Israely rehetra, ka nilahatra tany Baala-Tamara; ny olon’i Israely nanotrika kosa dia niantoraka avy amin’ny fitoerana nisy azy, tao amin’ny tany lemak’i Gabaà,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niainga avy tamin’ireo toerana rehetra nisy azy ny Israelita ka nilahatra hiady tao Bahala-Tamara; tamin’izay kosa ny miaramila israelita niafina dia nipoitra avy tao amin’ny fiereny teo andrefan’i Geba.
Malagasy Bible 1865
Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely nitsangana niala tamin'ny fitoerany ka nilahatra tany Bala-tamara; ary ny Isiraely izay nanotrika dia niroatra avy tamin'fitoerany, avy tao an-tsahan'i Gibea.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely nitsangana niala tamin'ny fitoerany ka nilahatra tany Bala-tamara; ary ny Isiraely izay nanotrika dia niroatra avy tamin'fitoerany, avy tao an-tsahan'i Gibea.