Judges 20:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO namely an’ny Benjamina teo anoloan’Israely, ary tamin’izany andro izany i Benjamina dia nahafatesan’ny Zanak’Israely lehilahy zato sy dimy arivo sy roa alina; lehilahy nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasian’i Iaveh teo anoloan’i Israely i Benjamina, ka zato amby dimy arivo sy roa alin-dahy samy mahatan-tsabatra no matin’ny zanak’i Israely tamin’i Benjamina androtr’io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nataon’ny TOMPO resy teo anatrehan’ny Israelita ireo Benjaminita, ka nahafatesana vatan-dehilahy miisa andiany 25 miampy 100 lahy tamin’izay andro izay, dia lehilahy kinga famely sabatra avokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah namely ny Benjamita teo anoloan'ny Isiraely, ary tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina dia nahafatesan'ny Zanak'Isiraely zato sy dimy arivo amby roa alin-dahy; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO namely an’ny Benjamina teo anoloan’Israely, ary tamin’izany andro izany i Benjamina dia nahafatesan’ny Zanak’Israely lehilahy zato sy dimy arivo sy roa alina; lehilahy nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
malagasy