Judges 20:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitan’ny taranak’i Benjamina fa resy izy. Ny lehilahin’ny Israely dia nanao tari-dositra niala tamin’i Benjamina satria natoky ny vela-pandrika izay napetrany teo akaikin’i Gibea izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa hitan’ny taranak’i Benjamina fa resy izy; fa ny lehilahy amin’i Israely no nihemotra teo anatrehan’i Benjamina dia noho ny fitokiany ny otrika napetrany hamely an’i Gabaà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Takatry ny Benjaminita tamin’izay fa resy tokoa izy. Nanao tari-dositra ny Israelita, satria niantehitra tamin’ireo miaramila nafeniny manodidina an’i Gibehà.
Malagasy Bible 1865
Ary hitan'ny taranak'i Benjamina fa resy izy; ary ny lehilahy amin'ny Isiraely nanao tari-dositra tamin'ny Benjamita, satria natoky ny otrika izay efa napetrany teo akaikin'i Gibea izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitan’ny taranak’i Benjamina fa resy izy. Ny lehilahin’ny Israely dia nanao tari-dositra niala tamin’i Benjamina satria natoky ny vela-pandrika izay napetrany teo akaikin’i Gibea izy.
malagasy
Ary hitan'ny taranak'i Benjamina fa resy izy; ary ny lehilahy amin'ny Isiraely nanao tari-dositra tamin'ny Benjamita, satria natoky ny otrika izay efa napetrany teo akaikin'i Gibea izy.