Judges 20:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitampody tao anatin’ny ady ny lehilahin’ny Israely ka nanomboka namely an’i Benjamina ary nahafaty tokony ho telopolo lahy tamin’ny Israely, ka hoy ireo: Resy eo anoloantsika tokoa tahaka ny tamin’ny ady voalohany izy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nifontina tamin’ny ady ny lehilahy amin’i Israely. Ny Benjaminita efa nahafaty sahabo ho telopolo lahy tamin’izy ireo, ka dia hoy izy: «Resy marina tokoa eo anatrehantsika izy toy ny tamin’ny ady voalohany mihitsy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa rehefa nihemotra an’ady ny Israelita ka nahafatesana tokony ho telopolo lahy, dia nihevitra ho naharesy azy tahaka ny teo aloha ny Benjaminita.
Malagasy Bible 1865
Ary nirona tamin'ny ady ny lehilahy amin'ny Isiraely (ny taranak'i Benjamina nanomboka namely sy nahafaty ny lehilahy amin'ny Isiraely tokony ho telo-polo lahy; fa hoy izy: Resy tokoa eo anoloantsika izy tahaka ny tamin'ny ady voalohany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitampody tao anatin’ny ady ny lehilahin’ny Israely ka nanomboka namely an’i Benjamina ary nahafaty tokony ho telopolo lahy tamin’ny Israely, ka hoy ireo: Resy eo anoloantsika tokoa tahaka ny tamin’ny ady voalohany izy!
malagasy