Judges 20:40 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanjo raha vao niakatra avy tao amin’ny tanàna ny setroka mitankosina dia niherika hijery ny Benjamina; ary indro, niakatra ho amin’ny lanitra avokoa ny setroky ny tanàna!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo efa niantomboka nidonaka ny setroka niakatra avy ao an-tanàna sahala amin’ny rahona, dia niherika ny Benjaminita ka nahita ity tanàna manontolo nidonak’afo nanakatra ny lanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kinanjo tamin’izay indrindra no nitambolimbolina niakatra ny setroka avy tao Gibehà. Niherika ny Benjaminita ka nahatazana ny afo manaka-danitra avy tao an-tanàna izay nirehitra tanteraka.
Malagasy Bible 1865
fa raha vao niakatra avy tao amin'ny tanàna ny setroka mitankosina, dia niherika ny taranak'i Benjamina; ary, indro, niakatra ho amin'ny lanitra avokoa ny setroky ny tanàna).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanjo raha vao niakatra avy tao amin’ny tanàna ny setroka mitankosina dia niherika hijery ny Benjamina; ary indro, niakatra ho amin’ny lanitra avokoa ny setroky ny tanàna!
malagasy
fa raha vao niakatra avy tao amin'ny tanàna ny setroka mitankosina, dia niherika ny taranak'i Benjamina; ary, indro, niakatra ho amin'ny lanitra avokoa ny setroky ny tanàna).