Judges 20:43 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nohodidininy ny Benjamina ka nenjehiny ary tsy navelany hiaina, dia nohitsakitsahiny hatrany akaikin’i Gibea any atsinanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Notemerany sy noenjehiny i Benjamina dia novonoiny teo amin’izay niatoany hatrany an-tandrifin’i Gabaà any amin’ny fiposahan’ny masoandro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Notemerin’ny Israelita ireo Benjaminita, nenjehiny tsy an-kiato ka nataony matin-kitsaka teny an-dàlana mandra-pahatonga hatrany atsinanan’i Gebà.
Malagasy Bible 1865
Nanemitra ny Benjamita izy ka nanenjika azy ary nanitsaka azy mora foana tandrifin'i Gibea atsinanany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nohodidininy ny Benjamina ka nenjehiny ary tsy navelany hiaina, dia nohitsakitsahiny hatrany akaikin’i Gibea any atsinanany.
malagasy
Nanemitra ny Benjamita izy ka nanenjika azy ary nanitsaka azy mora foana tandrifin'i Gibea atsinanany.[Na: teo Menoha]