Judges 20:45 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nivily ny sisa ka nandositra nankany an-tany efitra ho any amin’ny harambato any Rimona; ary izay voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary mbola noenjehiny ihany hatrany Gideoma ireo ka nahafatesany roa arivo lahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay niamboho dia nandositra nankany an’efitra any akaikin’ny haram-baton’i Remôna. Dimy arivo lahy no matin’ny zanak’i Israely teny an-dalana, dia nenjehiny mafy hatrany Jedeôna ihany izy ireny, ka nahafatesany roa arivo koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Benjaminita sisa dia nitodi-doha nandositra nankany an-taniefitra ho any amin’ny harambaton’i Rimôna. Ny andiany dimy tamin’ireo anefa dia maty noraofim-potsiny teny an-dalana, fa ny sisa kosa nenjehina ka ny nokendrena dia ny hahafongana azy; ary mbola nahafatesana andiany roa koa ireo.
Malagasy Bible 1865
Dia nivily sy sisa ka nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona; ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary mbola nenjehiny mafy ihany hatrany Gidoma izy ka nahafatesany roa arivo lahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nivily ny sisa ka nandositra nankany an-tany efitra ho any amin’ny harambato any Rimona; ary izay voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary mbola noenjehiny ihany hatrany Gideoma ireo ka nahafatesany roa arivo lahy.
malagasy