Judges 20:47 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nisy eninjato lahy nitampody ka nandositra nankany an-tany efitra ho any amin’ny harambato any Rimona, dia nitoetra efa-bolana tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny enin-jato lahy niamboho sy nandositra nankany an’efitra, any amin’ny haram-baton’i Remôna dia nitoetra tao amin’ny haram-baton’i Remôna efa-bolana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na izany aza, dia nisy eninjato lahy tamin’ireo nitodi-doha nandositra nankany an-taniefitra no afaka nitsoaka ihany ka tonga tao amin’ny harambaton’i Rimôna ary nitoetra tao efa-bolana.
Malagasy Bible 1865
Fa nisy enin-jato lahy nihodina ka nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona, dia nitoetra tao efa-bolana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nisy eninjato lahy nitampody ka nandositra nankany an-tany efitra ho any amin’ny harambato any Rimona, dia nitoetra efa-bolana tao.
malagasy
Fa nisy enin-jato lahy nihodina ka nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona, dia nitoetra tao efa-bolana.Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niverina indray tany amin'ny taranak'i Benjamina ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra, hatramin'ny olona tao an-tanàna ka hatramin'ny biby fiompy ary izay hitany dia nodorany tamin'ny afo avokoa.