Judges 20:48 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niverina indray tany amin’ny taranak’i Benjamina ny lehilahin’ny Israely ka namely azy tamin’ny lelan-tsabatra, hatramin’ny olona tao an-tanàna ka hatramin’ny biby fiompy mbamin’izay rehetra hitany. Ny tanàna rehetra izay hitany dia nodorany tamin’ny afo avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niverina tany amin’ny taranak’i Benjamina indray ny lehilahy amin’i Israely, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra avokoa hatramin’ny tanàna, na olona na biby fiompy, ka hatramin’izay rehetra hitany tany. Ary nodorany tamin’ny afo avokoa ny tanàna rehetra hitany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niverina namely ireo Benjaminita hafa ny Israelita ka isan-tanàna no nandringanany tamin’ny lelan-tsabatra ny olona mbamin’ny biby fiompiny; ary ny tanàna rehetra, izay hitany tamin’izany faritany izany, dia nodorany avokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niverina indray tany amin'ny taranak'i Benjamina ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra, hatramin'ny olona tao an-tanàna ka hatramin'ny biby fiompy ary izay hitany dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niverina indray tany amin’ny taranak’i Benjamina ny lehilahin’ny Israely ka namely azy tamin’ny lelan-tsabatra, hatramin’ny olona tao an-tanàna ka hatramin’ny biby fiompy mbamin’izay rehetra hitany. Ny tanàna rehetra izay hitany dia nodorany tamin’ny afo avokoa.
malagasy