Judges 20:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy tamin’ny alina. Izaho saika novonoiny, ary ny vady tsindranoko nandriany ka matiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gabaà; ny trano nisy ahy nohodidininy nandritra ny alina; ny tenako nokendreny hovonoina, ny vaditsindranoko nanaovany an-keriny, ka maty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nisy nirongatra hamely ahy ny mponina tao Gibehà ka nanodidina ny trano nitoerako nony alina. Nikasa hamono ahy izy, ary nanolana ny vadikeliko ambara-pahafaty azy.
Malagasy Bible 1865
Dia nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy tamin'ny alina; izaho saiky novonoiny, ary ny vaditsindranoko nandriany ka matiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy tamin’ny alina. Izaho saika novonoiny, ary ny vady tsindranoko nandriany ka matiny.
malagasy
Dia nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy tamin'ny alina; izaho saiky novonoiny, ary ny vaditsindranoko nandriany ka matiny.