Judges 21:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alina ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana ka asio amin’ny lelan-tsabatra ny mponina any Jabesy-Gileada mbamin’ny zaza amam-behivavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa naniraka lehilahy roa arivo sy iray alina anisan’ny mahery hamely azy ny fiangonana, ary nomeny didy hoe: «Mandehana asio amin’ny lelan-tsabatra ny mponina any Jabesy any Galaada, mbamin’ny vehivavy sy ny ankizy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany ny mpivory dia nandefa lehilahy mahery fo andiany 12 nankany Jabesy sady nanome baiko azy hoe: –Ndeha aringàno ny mponina ao Jabesy-Gilehada hatramin’ny zaza aman-behivavy.
Malagasy Bible 1865
Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin'ny lelan-tsabatra mbamin'ny zaza amim-behivavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alina ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana ka asio amin’ny lelan-tsabatra ny mponina any Jabesy-Gileada mbamin’ny zaza amam-behivavy.
malagasy
Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin'ny lelan-tsabatra mbamin'ny zaza amim-behivavy.