Judges 21:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ireo: Tsy maintsy mahazo lova izay afa-nandositra amin’ny Benjamina mba tsy hisy foko iray izay fongotra amin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy ireo: «Ny lovan’ireo afa-nandositra dia aoka ho raikitra fa an’i Benjamina ihany, mba tsy ho voafongotra amin’i Israely ny foko iray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa tokony hisy taranaka mpandova ireo Benjaminita sisa velona mba tsy ho fongotra ny foko iray amin’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy: Tsy maintsy mahazo lova ny Benjamita izay afa-nandositra, mba tsy hisy firenena iray fongotra amin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ireo: Tsy maintsy mahazo lova izay afa-nandositra amin’ny Benjamina mba tsy hisy foko iray izay fongotra amin’ny Israely.
malagasy
Ary hoy izy: Tsy maintsy mahazo lova ny Benjamita izay afa-nandositra, mba tsy hisy firenena iray fongotra amin'ny Isiraely.