Judges 21:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa isika dia tsy mahazo manome azy ny zanatsika vavy ho vadiny satria efa nianiana ny Zanak’Israely hoe: Ho voaozona izay manome vady ho an’ny Benjamina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa isika tsy mahazo manome amin’ny zanatsika ho vadin’izy ireo», satria efa nianiana ny zanak’i Israely nanao hoe: «Ho voaozona anie izay manome ny zanany vavy ho vadin’ny Benjaminita.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa tsy azontsika atao ny mamela azy ireo hanambady ny zanatsika vavy, satria efa nianiana isika fa ho voaozona izay Israelita hanome ny zanany vavy ho vadin’ny lehilahy benjaminita.
Malagasy Bible 1865
Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an'ny Benjamita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa isika dia tsy mahazo manome azy ny zanatsika vavy ho vadiny satria efa nianiana ny Zanak’Israely hoe: Ho voaozona izay manome vady ho an’ny Benjamina.
malagasy
Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an'ny Benjamita.