Judges 21:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ireo: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an’NY TOMPO any Silo izay avaratr’i Betela, atsinanan’ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema ary atsimon’i Lebona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy hoe: «Indro misy fetin’i Iaveh ankalazaina isan-taona any Silao», ilay tanàna ao avaratr’i Betela, atsinanan’ny lalana miakatra avy any Betela ho any Sikema ary atsimon’i Libàna,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay dia tsaroan’ny loholona fa hisy ny fety fanao isan-taona ho an’ny TOMPO any Silao izay eo avaratr’i Betela sy ao atsimon’i Lebônà ary ao atsinanan’ny lalana mampitohy an’i Betela sy i Sekema.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an'i Jehovah any Silo, izay avaratr'i Betela, atsinanan'ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon'i Lebona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ireo: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an’NY TOMPO any Silo izay avaratr’i Betela, atsinanan’ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema ary atsimon’i Lebona.
malagasy
Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an'i Jehovah any Silo, izay avaratr'i Betela, atsinanan'ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon'i Lebona.