Judges 21:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanao izany ny taranak’i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin’ny mpandihy izay nosamboriny; dia lasa izy ireo niverina ho any amin’ny lovany ary nanangana indray ireo tanàna ka nonina tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nataon’ny taranak’i Benjamina izany, samy naka vady ho azy tamin’ny mpandihy nosamboriny, araka ny isany, izy ireo; ary niainga hody amin’ny lovany, dia nanorina ny tanànany indray sy nonina teo izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanaraka io torohevitra io ny lehilahy benjaminita ka samy nisambotra vehivavy ho vadiny araka ny isany tamin’ireo tovovavy nandihy tao Silao; ary lasa niverina tany amin’ny zarataniny avy izy ka namboatra ny tanànany sy nonina tao.
Malagasy Bible 1865
Dia nanao izany ny taranak'i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin'ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin'ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanao izany ny taranak’i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin’ny mpandihy izay nosamboriny; dia lasa izy ireo niverina ho any amin’ny lovany ary nanangana indray ireo tanàna ka nonina tao.
malagasy