Judges 21:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ny Zanak’Israely: Iza amin’ny fokon’ny Israely rehetra no tsy niakatra teo amin’ny fiangonana hanatona NY TOMPO? Fa efa nisy fianianana lehibe ny amin’izay tsy niakatra ho any amin’NY TOMPO tany Mizpa, nilaza hoe: Hovonoina ho faty izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny zanak’i Israely: «Iza amin’ny fokon’i Israely rehetra no tsy niakatra namonjy ny fiangonana teo anatrehan’i Iaveh?» Fa efa nisy voady natao ampahibemaso, namely an’izay tsy hiakatra hankany amin’i Iaveh any Masfà manao hoe: «Hoheloin-ko faty izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nifanontany ny Israelita hoe: –Tamin’ny fokon’i Israely rehetra, moa nisy foko tsy tonga tamin’ilay fivoriana natao teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà ve? Efa nianiana mafy manko ry zareo tamin’izay fa na iza na iza tsy tonga teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà dia hatao maty.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny Zanak'Isiraely: Iza amin'ny ferenen'Isiraely rehetra no tsy niakatra teo amin'ny fiangonana hanatona an'i Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny amin'izay tsy niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ny Zanak’Israely: Iza amin’ny fokon’ny Israely rehetra no tsy niakatra teo amin’ny fiangonana hanatona NY TOMPO? Fa efa nisy fianianana lehibe ny amin’izay tsy niakatra ho any amin’NY TOMPO tany Mizpa, nilaza hoe: Hovonoina ho faty izy.
malagasy