Judges 3:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tonga taminy ny Fanahin’NY TOMPO dia tonga mpitsara teo amin’ny Israely izy ka nivoaka hiady. Ary i Kosana-Risataima, mpanjakan’i Arama, dia natolotry NY TOMPO teo an-tanany ka nanampatra ny heriny tamin’i Kosana-Risataima izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nilatsaka tamin’io ny Fanahin’i Iaveh, ka nitsara an’i Israely izy, ary nivoaka hiady; ary natolotr’i Iaveh ho eo an-tanany i Kosana-Rasataîma mpanjakan’i Mesôpôtamia, ka nahery tamin’i Kozana-Rasataîma ny tanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitoetra tao aminy ny Fanahin’ny TOMPO, ka nitondra ny Israelita izy. Ary niainga hiady i Hôtniela; dia natolotry ny TOMPO teo an-tanany i Kosàna-Risehataîma mpanjakan’i Mezôpôtamia ka resiny.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Fanahin'i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, dia natolotr'i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an'i Kosan-risataima.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tonga taminy ny Fanahin’NY TOMPO dia tonga mpitsara teo amin’ny Israely izy ka nivoaka hiady. Ary i Kosana-Risataima, mpanjakan’i Arama, dia natolotry NY TOMPO teo an-tanany ka nanampatra ny heriny tamin’i Kosana-Risataima izy.
malagasy