Judges 3:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa mbola nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO ihany ny Zanak’Israely; ary NY TOMPO nampahery an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, hiady amin’ny Israely noho izy ireo nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh indray ny zanak’i Israely, ka noho izy nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh dia nampaherezin’i Iaveh tamin’i Israely, i Eglôna mpanjakan’i Moaba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita. Noho izany dia nampirisihin’ny TOMPO hamely azy i Heglôna, mpanjakan’i Môaba.
Malagasy Bible 1865
Fa nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ny zanak'Isiraely ary i Jehovah nampahery an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, hiady amin'ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa mbola nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO ihany ny Zanak’Israely; ary NY TOMPO nampahery an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, hiady amin’ny Israely noho izy ireo nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO.
malagasy
Fa nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ny zanak'Isiraely ary i Jehovah nampahery an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, hiady amin'ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.