Judges 3:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nangoniny ho eo aminy ny taranak’i Amona sy i Amaleka ary nandeha izy ka namely ny Israely dia nahazo ny Tanàna be palma.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nikambana tamin’ny taranak’i Amôna sy i Amaleka, i Eglôna, dia niainga nandeha. Nandresy an’i Israely izy ka nanafaka ny tanànan-drofia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Heglôna nivondrona tamin’ny Hamônita sy ny Hamalekita ka nandeha nanafika ny Israelita, ary nahazo ny tanàna Jerikao.
Malagasy Bible 1865
Dia nampiangona ny taranak'i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nangoniny ho eo aminy ny taranak’i Amona sy i Amaleka ary nandeha izy ka namely ny Israely dia nahazo ny Tanàna be palma.
malagasy
Dia nampiangona ny taranak'i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia.[Palma]