Judges 3:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ny Zanak’Israely ka nanangana mpamonjy ho azy NY TOMPO, dia i Ehoda, zanak’i Gera, avy amin’ny taranak’i Benjamina, lehilahy kavia. Ary ny Zanak’Israely dia nampitondra azy fanomezana ho an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nitaraina tamin’i Iaveh ny zanak’i Israely, ka nananganan’i Iaveh mpanafaka, dia i Aoda, zanak’i Gerà, Benjaminita, izay nampiasa ny tanany ankavanana. Nampitondrain’ny zanak’i Israely fanomezana ho an’i Eglôna mpanjakan’i Moaba izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny Israelita ka nanirahany mpamonjy, dia i Ehoda, lehilahy kavia, izay zanak’i Gerà avy amin’ny fokon’i Benjamîna. Dia nalefan’ny Israelita i Ehoda mba hitondra fanomezana ho an’i Heglôna, mpanjakan’i Môaba.
Malagasy Bible 1865
Ary nitaraina tamin'i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak'i Gera, avy amin'ny taranak'i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, ny Zanak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ny Zanak’Israely ka nanangana mpamonjy ho azy NY TOMPO, dia i Ehoda, zanak’i Gera, avy amin’ny taranak’i Benjamina, lehilahy kavia. Ary ny Zanak’Israely dia nampitondra azy fanomezana ho an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba.
malagasy