Judges 3:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izy kosa, rehefa tonga teo amin’ireo sampy vato tany Gilgala, dia niverina ka niteny hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy ny mpanjaka: Mangìna ianareo! Dia lasa nivoaka ireo rehetra nijoro teo akaikiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa izy kosa dia niverina, avy hatreo amin’ilay sampy vato akaikin’i Galgalà ka nanao hoe: «Ry mpanjaka ô, misy zavatra tsy ambara telo holazaiko aminao.» Ka hoy ny mpanjaka: «Mangina!» Dia nivoaka avokoa izay olona rehetra tao aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo nony efa tonga teo akaikin’ny tsangambaton-tsampy tao Gilgala i Ehoda, dia niverina ka nilaza tamin’i Heglôna hoe: –Misy hafatra miafina holazaiko aminao, ry mpanjaka ô. Dia nandidy ny mpanompony teo ny mpanjaka mba hamela azy mitokana; koa nivoaka ny trano izy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Fa nony tonga teo amin'ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izy kosa, rehefa tonga teo amin’ireo sampy vato tany Gilgala, dia niverina ka niteny hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy ny mpanjaka: Mangìna ianareo! Dia lasa nivoaka ireo rehetra nijoro teo akaikiny.
malagasy
Fa nony tonga teo amin'ny fihadiam-bato izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy.[Na: sarin-javatra voasokitra]