Judges 3:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanatona an’i Eglona i Ehoda, raha nipetraka irery tao amin’ny efitrano ambony mangatsiatsiaka voatokana ho azy irery izy. Dia hoy i Ehoda: Misy teny avy amin’Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin’ny sezafiandrianana i Eglona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nipetraka irery tao an-tranony fakana hatsiatsiaka izy no nohatonin’i Aoda ka nataony hoe: «Manana teny avy amin’Andriamanitra ho anao aho.» Tafatsangana niala tamin’ny fiketrahany i Eglôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpanjaka tamin’izay dia nipetraka tao amin’ny efitrano fihatsiatsiahana izay natokana ho azy teo an-tampontrano. Ary nanatona azy i Ehoda ka nanao hoe: –Misy teny avy amin’Andriamanitra nentiko ho anao. Dia nitsangana niala teo amin’ny sezany ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin'Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianana Eglona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanatona an’i Eglona i Ehoda, raha nipetraka irery tao amin’ny efitrano ambony mangatsiatsiaka voatokana ho azy irery izy. Dia hoy i Ehoda: Misy teny avy amin’Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin’ny sezafiandrianana i Eglona.
malagasy