Judges 3:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tafavoaka izy dia tonga ireo mpanompon’i Eglona; ary hitan’ireo fa indro, voahidy ireo varavaran’ny efitrano ambony ka hoy ireo: Angamba mbola mivoaka ao amin’ny trano mangatsiatsiaka izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa tafavoaka izy dia tonga ny mpanompon’ny mpanjaka dia nizaha izy ka indro fa ny varavaram-ben’ny trano ambony dia voahidy karetsaka, ka hoy izy: «Tsy maintsy misaron-tongotra ato an-trano fakàna hatsiatsiaka izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony tafavoaka izy, dia tonga ireo mpanompon’ny mpanjaka izay nahita fa mihidy ny efitrano fihatsiatsiahana; koa noheveriny fa mbola miavela ao ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon'i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran'ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy aloha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tafavoaka izy dia tonga ireo mpanompon’i Eglona; ary hitan’ireo fa indro, voahidy ireo varavaran’ny efitrano ambony ka hoy ireo: Angamba mbola mivoaka ao amin’ny trano mangatsiatsiaka izy.
malagasy
Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon'i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran'ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy aloha.