Judges 3:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niandry izy ireo ka farany very hevitra; koa satria tsy namoha ihany ireo varavaran’ilay trano ambony i Eglona, dia nalain’ireo ny fanalahidy ka novohany, ary indro, efa maty niampatra tamin’ny tany ny tompony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niandry ela teo izy ireo ka efa menatra aza, ary nony tsy novohainy ny varavaran’ny trano ambony dia nalain’izy ireo ny fanalahidy ka novohainy; ary indro fa maty niampatra tamin’ny tany teo ny tompony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niandry teo ivelany izy ireo ambara-pahavelon’ahiahy azy, kinanjo tsy mbola nisy namoha ihany ny varavarana. Dia naka ny fanalahidy ireo ka namoha ny trano, ary indro ny tompony maty mitsitra eo amin’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Dia niandry mandra-pahaveri-heviny izy ireo, kanjo tsy namoha ny varavaran'ny trano izy; ka dia naka ny fanalahidy izy ireo ka namoha azy; ary, indro, maty niampatra tamin'ny rihana ny tompony
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia niandry mandra-pahaveri-heviny izy ireo, kanjo tsy namoha ny varavaran'ny trano izy; ka dia naka ny fanalahidy izy ireo ka namoha azy; ary, indro, maty niampatra tamin'ny rihana ny tompony