Judges 3:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy taminy: Manaraha ahy fa efa natolotry NY TOMPO eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona ka azony ny fitàna any Jordana mankany Moaba ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy izy taminy: «Manaraha ahy, fa efa natolotr’i Iaveh eo an-tananareo ny fahavalonareo, ny Moabita.» Dia nidina nanaraka azy ireo, ka azony ny fitàna an’i Jordany tandrifin’i Moaba, ary notapahiny tsy hitan’olona na dia iray aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady nanainga azy hoe: –Manaraha ahy fa efa natolotry ny TOMPO eo an-tanantsika ny Môabita fahavalontsika. Dia nanaraka an’i Ehoda ireo, ka nandeha nibahana ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna, ary tsy nisy Môabita navelany hita na iray aza.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitàna any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy izy taminy: Manaraha ahy fa efa natolotry NY TOMPO eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona ka azony ny fitàna any Jordana mankany Moaba ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza.
malagasy