Judges 3:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namono ny Moabita tamin’izany andro izany izy, tokony ho lehilahy iray alina izay samy olona vaventy sady mahery avokoa; tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandresy an’i Moaba izy ireo tamin’izany andro izany, tokony ho lehilahy iray alina, samy tomady sy mahery avokoa, ka tsy afa-nandositra na dia iray aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay andro izay dia Môabita sahabo ho andiany folo no matiny, dia vatan-dehilahy tomady sy mahery fo avokoa; ka tsy nisy afa-nitsoaka ireny na iray aza.
Malagasy Bible 1865
Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin'izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namono ny Moabita tamin’izany andro izany izy, tokony ho lehilahy iray alina izay samy olona vaventy sady mahery avokoa; tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.
malagasy
Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin'izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.