Judges 4:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Hebera kenita dia efa nisaraka tamin’ny Kenita izay avy amin’ny taranak’i Hobaba, rafozan’i Mosesy; tonga hatrany akaikin’ny hazo terebinta ao Zananima izay eo anilan’i Kadesy, izy ka namelatra ny tranolainy tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Hebera ilay Kineanina, dia nisaraka tamin’ny Kineanina taranak’i Hôbada, zaodahin’i Môizy ka nilasy hatrany amin’ny aoka any Senima, akaikin’i Kedesy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao akaikin’i Kedesa no nisy an’i Hebera lehilahy kenita. Noho izy tafasaraka tamin’ireo Kenita hafa taranak’i Hôbaba zaodahin’i Mosesy, dia nanorin-day teo akaikin’ny terebintan’i Tsahananîma izy.
Malagasy Bible 1865
Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin'ny Kenita izay avy amin'ny taranak'i Hobaba, zaodahin 'i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin'ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan'i Kadesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Hebera kenita dia efa nisaraka tamin’ny Kenita izay avy amin’ny taranak’i Hobaba, rafozan’i Mosesy; tonga hatrany akaikin’ny hazo terebinta* ao Zananima izay eo anilan’i Kadesy, izy ka namelatra ny tranolainy tao.
malagasy
Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin'ny Kenita izay avy amin'ny taranak'i Hobaba, zaodahin'i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin'ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan'i Kadesy.[Na: rafozan']