Judges 4:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nantsoin’i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy fitondra miady sivinjato sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Haroseta-Goima, hankany amin’ny ony Kisona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nasainy nentina avy tany Harôseta-Gôïma ny kalesiny vy sivin-jato mbamin’ny vahoaka rehetra izay tao aminy, ho ao amin’ny ranon-driaka Sisaona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa novoriny tao Harôseta-Gôima ny kalesiny vy sivinjato sy ny miaramilany rehetra; dia avy teo izy no nankany amin’ny renirano Kisôna.
Malagasy Bible 1865
Dia nangonin'i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan'ny Jentilisa, hankany amin'ny ony Kisona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nantsoin’i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy fitondra miady sivinjato sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Haroseta-Goima, hankany amin’ny ony Kisona.
malagasy
Dia nangonin'i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan'ny Jentilisa, hankany amin'ny ony Kisona.