Judges 4:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Baraka dia nanenjika ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta-Goima; dia lavon’ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan’i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nenjehin’i Baràka hatrany Harôseta-Gôïma, ny kalesin’ny tafika ka lavony tamin’ny lelan-tsabatra avokoa ny tafik’i Sisarà rehetra, fa tsy nisy niangana na dia lehilahy iray aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanenjika ireo kalesy sy ny andian-tafiky ny fahavalony hatrany Harôseta-Gôima i Baràka; dia naringany tamin’ny sabatra avokoa ny miaramilan’i Siserà ka tsy nisy niangana na iray aza.
Malagasy Bible 1865
Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon'ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan'i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Baraka dia nanenjika ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta-Goima; dia lavon’ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan’i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
malagasy
Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon'ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan'i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.