Judges 4:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Sisera dia nandositra an-tongotra ho any amin’ny tranolain’i Jaela, vadin’i Hebera kenita; nihavana mantsy i Jabina, mpanjakan’i Hazora, sy ny mpianakavin’i Hebera kenita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Sisarà dia nandositra an-tongotra ho ao amin’ny lain’i Jahela vadin’i Hebera Kineanina; fa nihavana i Jabìna mpanjakan’i Asôra sy ny fianakavian’i Hebera Kineanina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Siserà dia nandositra an-tongotra hatrany amin’ny lain’i Jahela izay vadin’i Hebera lehilahy kenita, satria nihavana ny fianakavian’i Hebera sy i Jabîna mpanjakan’i Hatsôra.
Malagasy Bible 1865
Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin'ny lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan'i Hazora, sy ny mpianakavin'i Hebera Kenita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Sisera dia nandositra an-tongotra ho any amin’ny tranolain’i Jaela, vadin’i Hebera kenita; nihavana mantsy i Jabina, mpanjakan’i Hazora, sy ny mpianakavin’i Hebera kenita.
malagasy
Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin'ny lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan'i Hazora, sy ny mpianakavin'i Hebera Kenita.